Olona maro no tonga niteny tamin'i Josafata fa misy tafika goavambe iray manantona hiantsy ady aminy. Rehefa taitra naheno io vaovao io i Josafata dia nandidy fifadian-kanina ho an'ny Jodia iray manontolo. Nisy olona avy amin'ny tanàna tsirairay tao Jodia tonga hifady hanina sy hivavaka miaraka. Singan'ny vondrona lehibe iray izahay ary Josafata nangataka fanampiana an-kitsipo tamin'Andriamanitra. Ary nisy lehilahy iray atao hoe Jahaziela nitsangana sy niteny hoe tsy tokony hitebiteby i Josafata, fa tsy adiny io, fa adin'Andriamanitra. Vao maraina be tamin'izay no nanainga izahay nankany an'efitr'i Tekoa. Nitebiteby mafy izahay fa hifanandrina amin'izany tafika goavambe izany, saingy notenenina izahay mba hanam-pinoana. Efa nivavaka ihany koa izahay. Rehefa tonga teny ambony havoana ny mpialoha làlana mpitsikilonay dia tsy nahita afa-tsy faty niampatrampatra tetsy sy teroa. Hay ireto fahavalo nifandringana izy samy izy ihany. Nandresy i Josafata noho ny vavaka nataony, tsy nila niady akory.